Sary Fihaonamben'ny S.A. AFF
Sampana Asa 'Asa Fitoriana ny Filazantsara'
Tany Fénérive Est ny taona 2016

Ravo.Madagascar webmaster Pensee Chretienne et le President du FJKM le Pasteur Irako Andriamahazosoa Ammi, Fenerive Est Madagascar, septembre 2016
Ravo ( webmaster Pensée Chrétienne ) sy
Ny Filohan'ny FJKM, Ny Mpitandrina Irako
Andriamahazosoa Ammi

 

Hafatry ny Filoha vaovaon'ny FJKM :

1- Torio Kristy
2- Torio @ fifaliana Kristy
3- Torio @ fanetrentena Kristy
4- Torio @ fahasahiana Kristy

Vontoso ny filazantsaran'i Jesoa Kristy i Madagasikara

 

 

 

 

Sary faha 45 taonan'ny FJKM
Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara

 

Sary Ravo.Madagascar ny alahady 30 Jona 2013

Le Logo de notre Eglise
Notre Eglise, son clocher

 

Hipoka tanteraka ny kianja malalaky ny Kolejy Teolojika Ivato t@ fanompoam-pivavahana fanokafana ny fankalazana an'Andriamanitra noho ny faha 45 taonan'ny FJKM ny alahady 30 Jona 2013 teo. Maro t@ ireo sampana ny nanao ny fanamiana mampiavaka azy sy nilanja ireo sora-baventiny. Teo koa ireo mpitandrina sy mpampianatra FJKM. Hita taratra teny ny filaminana, ny fahaizan'ny FJKM milamina, ny fahaizan'ny Malagasy milamina tsara ( jereo ohatra fa tsy misy mipetraka eny @ tsipika fotsy mihitsy ny olona, nefa dia olona aman'alina alina be izao ).

 

 

Vahiny maro mpiara-miasa @ FJKM no tonga teny. Tao ny solo-tena avy @ Fiangonana Presbiteriana avy atsy @ Nosy Maorisy, Korea sy Etazonia Amerika izay samy nitondra ny teny fiarahabana sy firariantsoa ary fampaherezana avokoa. Manampy hatrany ny FJKM izy ireo eo @ asa fampandrosoana. Tao koa ireo mpitandrina solo-tena avy @ ireo Fiangonana zandriny niara-niombom-bavaka teny. Nirindra sy nilamina tsara ny fotoana rehetra.

 

 

Hafatra ho an'ny Fiangonana :

« Ezaho ny fiantsonao, fa aza atao malemy » ( Isaia 58 : 1a ) no teny faneva nampitaina t@ FJKM manontolo manerana ny Nosy Madagasikara. Asan'ny mpaminany dia ny Fiangonana izany ny miteny, manambara sy milaza izay tsy mety ary manoro ny làla-marina dia ilay ao @ Jesoa Kristy irery ihany, hoy ny filohan'ny FJKM ny mpitandrina Lala H. Rasendrahasina. Aoka ny fiangonana FJKM hitandrina ka hitady izay tena sitrapon'Andriamanitra tokoa sy izay hankasitrahan'i Jehovah, fa tsy izay hahafaly ny mpiangona fotsiny sy izay mahametimety ny fanompoam-pivavahana. Ny litorjian'ny fiangonana dia mitohy hatrany @ ankohonana, hatrany @ fiaraha-monina ary hatrany @ firenena rehetra any. Manatanteraka izany ve isika ? Aoka tsy ho sarahina ny fiainam-piangonana sy ny fiainana andavan'andro ka hiova ny fanao raha vao miala ny sehatry ny fiangonana isika. Sahia miteny ny tsy mety sy manitsy izany ary tsy mankasitraka sy manohitra ny tsy rariny na aiza na aiza misy antsika !

 

 

Fijerin'ny naka ny sary :

Maro dia maro tokoa ny olona tonga teny, isaorana ny rehetra izany. Nety tsara ny fandaminana, afa tsy ny fanamafisam-peo izay ny tao @ toerana nitafo ihany no nahare fa vao miala io toerana io dia tsy nisy hafatra heno intsony, nefa dia feno olona hatrany anaty ala kininina, hatreny @ sisin-tamboho rehetra, hatrany @ lalan'ny fiara rehetra tany. Hevitra ny ahy, tokony hampiana « haut-parleurs » @ manaraka any anaty kininina rehetra any sy isaky ny zoronjorony rehetra ary hametrahana mpanara-maso sy mpiambina ireny ( ohatra ny tily izay hitako niasa tsara ; azo ampiana ny STK, sns. ). Dia jereo manokana koa ny WC-ny lehilahy fa toa tatatra kely fotsiny ? Ny olona anefa efa ho aman'alina alina !!!

Dia ho an'Andriamanitra irery ihany ny Voninahitra, ny laza, ny dera ary ny saotra, hatrizay hatrizay ka ho mandrakizay, Amena !

 

 

« Ezaho ny fiantsonao, fa aza atao malemy »
( Isaia 58 : 1a )

 

 

 

 

RATSIMBAZAFY Ravo Nomenjanahary & Pierrette
Auteurs Pensée-Chrétienne 2013 &
Gazety Fafana FJKM Ankadifotsy
Courriel : r_ravo@hotmail.com
fafanagazety@live.fr

 


The Christian Counter


Sing Halleluja

 

Ce site est